Rina Randriamasinoro – Efa miaina ao anatina fitondrana jadona isika

Nangonin’Isambilo

Mbola nitondra fanehoan-kevitra mahakasika ny zava-nitranga teto an-drenivohitra tamin’ny sabotsy lasa teo, ny sekretera jeneraly nasiônalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Rina Randriamasinoro. Nisian’ny ramatahora sy ny herim-pamoretana nalefan’ny fitondrana teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka, ka nisambotra ny mpitarika miisa roa an’ny antoko TIM, anisan’izany ny tenany.

Milaza ity mpanao pôlitika ity fa: ”raha adika tsotra ny zavatra niseho tamin’iny Sabotsy iny dia hoe: tsy misy mahazo miteny afa-tsy ny mpitondra ihany eto amin’ny firenena. Rehefa miteny ny mpitondra izany hoe, efa mandroso i Madagasikara dia tiany hanaiky an’izay daholo ny rehetra, na mifanohitra amin’izay aza ny mari-pandrefesana rehetra izay milaza fa mihemotra any amin’ny farany aoriana isika.

Raha nosamborina izahay dia tsy hita hoe inona no tena antony fa “intimidation” na fampitahorana fotsiny ilay izy. Mazava ankehitriny, fa fehezin’ny fitondrana daholo ny fahefana rehetra misy, na ny fahefan’ny mpanao lalàna, na ny fahefan’ny fitsarana, na ny fahefana mpanatanteraka. Ka raha miteny ianao androany hoe: “maninona ny eo amin’ny fitondrana no tsy misy voasambotra, na manondrana harem-pirenena na inona na inona, nefa tsy misy tohiny” dia mazava izany satria izy no mibaiko ny fahefana rehetra misy.

Raha mitohy izao dia hiaina tanteraka anaty jadona isika, ary efa manomboka izy izao. Izay tian’ny mpitondra no atao fa tsy misy intsony ny fihainoana ny hevitry ny hafa, potehina tanteraka ny demôkrasia. Kely dia kely ny fanantenana amin’ny mety hisian’ny “alternance democratique” izany, fandrebirebena olona izany, resaka fotsiny ny hoe miandrasa fifidianana, efa ireny ny zava-niseho 2018, ary inona no mbola mety hiseho raha mitohy izao fihetsiky ny mpitondra izao.”

Tsy azo ekena intsony tokoa izany fihetsiky ny mpitondra izany raha tiana hisy tokoa ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny fomba demôkratika eto amintsika, fa raha tsy izany mety hiditra korontana indray ny firenena, koa tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana ny vahaolana. Efa mizotra mankany amin’izany ny zava-misy eto amintsika ankehitriny, miantso ny hisian’izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny fiangonana, ny fiarahamonim-pirenena, indrindra ny mpanao politika, eny fa na ny avy amin’ny fitondrana aza dia tsy vitsy no efa manaiky izay hanaovana fikaonandoham-pirenena izay.