RY KOMITY FAMPIHAVANANA

Mifantoka aminao ny maso
Ry komity fampihavanana.
Aoka izay ny andrasoandraso
Fa meteza hanolo-tanana!

Tao ho ao ianao natory
Ka dia zendana izahay,
F’izao hampihaona sy hampivory
Ka dia mahafaly indray!

Lasa ny andro sy ny volana,
Tsisy mba mamiratra eto.
Tsotra anio ny vahaolana:
Izany jiro no areheto!

Mijoroa mba ho mpitarika
Tena manam-pahendrena,
Ka omeo ireo toromarika
Ho FANAVOTAM-PIRENENA!

‘Ndeha ampihaony ireo izay liana
Sy ‘zay vonona hifanatona.
Aza asiana fiandaniana,
Varavarana aza akatona .

Izay mitera-pandrosoana
Sy ‘zay tena mampiray
No aoka ho tanjona himasoana
F’ampy re ‘zay lasa izay!

Dia taomy hahay hanetry tena
Ireo rehetra handray anjara.
FANAVOTAM-PIRENENA,
Izay ilay tarigetra tsara!

Raha tanterakao izany
Ry KOMITY FAMPIHAVANANA,
Dia hiposaka eto ihany
Ilay marainam-piadanana!

DADAN’i RIANA (28-07-22)