IREO BEBASY MAROBE

Ireo bebasy marobe dia tsy endrika maneho ny hery,
Fa milaza ety ivelany irony ratra sy ny fery,
Ary koa ny tebiteby sy tsy filaminan-tsaina,
Noho ny “tahotra mpanohitra” mila haningotra ny aina!

Ireo bebasy marobe dia fiandohan’ny krizy
Sy ny fomba fitondrana efa mandeha any amin’ny tsy izy!
Tsy ahitana vahaolana ‘reo noana sy fadiranovana,
Fa dia ny mpitondra hatrany no vokisana sy arovana!

Ireo bebasy marobe, ho anao mpitondra firenena,
Dia efa marika mitory ny tsy fahatokisan-tena,
Ka dia hery no heverina hampitony ny ahiahy,
F’izay hatrany no efa fomba sy fiadin-jiolahy!

Ireo bebasy marobe dia toa fitaratra mamitaka,
Fa zava-bitika sy kely dia efa ampy hampipatitaka .
Koa mihevera ry mpitondra, aoka kely tsy ho sodoka.
Maro no efa mihatakataka, manao anao ho toy ny boka!

DADAN’i RIANA (30-07-22)