Rina Randriamasinoro – Fitaovam-pandaingan’ny ministra Lalatiana ny RNM sy ny TVM

Stefa

Nitondra valin-kafatra ho an’ny ministra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, ny sekretera nasiônalin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro. Ataon’ny ministra Lalatiana fitaovam-pandaingana hoy izy ny haino aman-jerim-panjakana, ny RNM sy ny TVM.

Nanambara i Rina: ”Hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy tao anaty fandaharana: manaporofo izany ny nahitana… izay anie mety hoe inian-dry zareo tsy resahana loatra, fa izany ange no vaovao nisongadina teny an-toerana e, fisiana “gros bras” maromaro niaraka tamin’ny SG ny antoko TIM nidina teny an-toerana, nisy ange izany e!”

SATRIA MINISTRA VE DIA AFAKA MANDAINGA?

Nilaza ny minisitry ny Serasera Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, fa nisy Gros Bras niaraka tamiko teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. Aiza ny porofo ahafahanao milaza izany, raha nisy ny Gros Bras dia nanaiky ny nisamborana ahy ve izy ireo? Tsy mahagaga raha toy izao no mianjady amin’ny firenena satria lainga foana no lazaina amin’ny vahoaka! Nilaza ihany koa ny tenany fa namaky “barrage” teny Analakely izahay ary nikasa handoro ny fahitalavitra VIVA, tsy toa anareo izahay. Magro Behoririka no toerana nanaovana hetsika, fa tsy Analakely ary misy horonan-tsary manaporofo izany. Raha manana horonan-tsary ilay lazainao misy anay teny Analakely ianao dia avoahay, fa aza vokisana lainga ny vahoaka.”