NY MPITONDRA SY NY FANABEAZANA

Ela ihany no nanaovana fa tsy misy toa an’ireo.
Be ny trosa tsy nefainy ka dia miakatra ny feo.
Tsy vitsy ireo mpandraharaha no efa tofoka sy leo,
Fa tena toa odiany fanina ny antsoantso sy toreo.

Mpampianatra sy mpanabe dia tena ataony tsisy vidiny,
Hany ka dia mihamahantra sady tena faraidiny!
Satria ny hoe “manara-penitra” dia trano tsara raha tazanina,
Nefa ny mpampianatra ao dia zara raha mihinan-kanina!

Efa tsisy kalitao raha ny tontolom-pampianarana,
Tao anaty folo taonan-gidragidra tsy mifarana.
Asa! tsisy mpanabe manoro hevitra mihitsy,
Ka manohy ny hadalany ireo antokon’olom-bitsy!

Azo sainina amin’izany izay ho ampitso sy ny hoavy,
Raha ny seha-pampianarana no efa hita ho manavy,
Ary iretsy mpanabe dia mihamahia sy sahozanina.
Hanao ahoana ireo taranaka ry mpitondra sain-kanina?

Ny “olona” no ‘ndeha jereo vao vatan-trano sy ny fanaka.
Tohano iretsy mpanabe, avia jereo ireo taranaka,
F’aza ilaozana midehaka amin’ilay volomboasary,
Nefa tsisy fampianarana mba mandeha sy lavorary!

…Tena mety tsy mitovy ilay manara-penitsika.
(Samy manana ny fombany hahafahany mandika!)
F’aminay ny mpanabe no ‘ndeha tohano tsy ankijanona,
Raha tiana ny hanorenana firenena tena vanona!

DADAN’i ZINA (31-07-22)