Fandraharahana volamena eto Madagasikara – Lasibatra hatrany ny madinika hoy Rakotomamonjy Philippe

Rajo

Manoloana ny resaka fandraharahana eto Madagasikara, indrindra fa ny fitrandrahana volamena dia naneho ny heviny ny mpandraharaha Rakotomamonjy Philippe satria ny sinoa sy ny vahiny, no mitavana ny fitrandrahana, fa ny vahoaka madinika dia taraiky tsy mba malalaka amin’ny resaka fitrandrahana eto Madagasikara. Zara raha mba mahazo sombiny amin’ny vokatra eto Madagasikara ny mpitrandraka madinika sy ny mpandraharaha.

Ankoatr’izay, dia nambaran’ ity mpandraharaha ity, fa ny sandam-bola mihitsy no ambany nefa tokony hiasa fara-fahakeliny miainga amin’ny ariary folo. Misy akony eo amin’ny tsena sy ny fihodinan’ny vola eto amintsika ny fitotongan’ny sandam-bola tsy mifanentana amin’ny vola vahiny, ka ny vahoaka malagasy hatrany no lasibatra manoloana izany, hoy izy. Midangana ny vidim-piainana tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka intsony satria tsy mahita vahaolana ny fitondram-panjakana. Ilay mpiaro ny zon’ny mpanjfa nilaza fa hijery sy handray andraikitra ary nilaza fa hanao rastà raha tsy mivaha ny olana aza tsy hanao rastà akory raha ny nambarany.

Ankoatr’izay, dia tsy hita soritra ny fahombiazan’ny mpitondra fanjakana, ka mahatonga ireo mpanao pôlitika mitaky ny fialan’ny mpitondra fanjakana. Manginy fotsiny ny tsy fahafahan’ny mpanohitra maneho hevitra, fa enjehina sy ampitahorina noho ny hevitra tsy mitovy. Mbola ny baikon’ny mpitondra hatrany no arahin’ireo mpitandro ny filaminana malagasy. Hentitra ity mpandraharaha sady mpanao pôlitika ity, fa mila miova ny vahoaka malagasy ary tokony handini-tena sy hametra-pialana ny mpitondra rehefa tsy mahavaha olana, satria mahantra sy mijaly ny vahoaka malagasy ankehitriny.