Andranomanalina – Sachet 12 kg, hahazoana lasantsy 8 litatra

Karl Fabrice

Aly

Mahavariana sy mahaliana ny zava-misy amina tokan-trano iray etsy Andranomanalina, ao amin’ny Boriboritany voalohany eto Antananarivo reni-vohitra. Ankohonana iray no manodina ny fako sachet ho lasa lasantsy.

Ankohonan’i Karl Fabrice no mamadika izany sachet izany ho lasantsy. Anisan’ny sachet ampiasainy ny fonon’akanjo avy eny Behoririka. Alefa anatina kazarana daba sy fantsona amina maripàna mahatratra hatrany amin’ny 400°C ny sachet. Ny plastique izay solide na vainga raha dorana dia mivadika ho ranoka sy gaz na entona, ny ranoka hatao solika ny entona atao fahandroana sakafo. Mbola misy koa ny faikany goudron na tara, izay azo hanamboarana làlana. Ny lasantsy azon’izy ireo dia ampiasaina amin’ny filana andava-nandro ao amin’ny tokantranony sy ny fiaraha-monina manodidina. Ahazoana lasantsy 8 litatra ny fakona sachet 12 kg. Na somary mahery fofona aza ilay lasantsy dia kendren’ny mpanao azy ho ambany ny entona carbone havoakany.

Raha mahazo fanohanana izy ireo mety ho afaka manitatra bebe kokoa amin’izao fisian’ny fidangan’ny vidin-tsolika eto amintsika izao.