ANGANO TSISY FARANY

Tsy nahomby angaha ny fika
Momba ny teleferika
Ka dia fiarabe indray
No hampiesoninao anay?

Ny lalana no hatsarao
Vao mikabary aloha ianao.
Sa fiara tsy mitehin-tany
Izany vao ho avy izany?

Iretsy fiara salantsalany,
Efa sarotra ny lalany,
Nefa fiarabe no ho avy?
Sao dia resaka matavy!

Ireo mpitatitra hatrizay
Hanjary very asa indray,
F’izany ve ilay tena bizina:
Olom-bitsy no hatavizina?

Mba mihevera Rainilainga.
Hatreto mantsy tsisy miainga
Fa mijanona ho angano
Ireo rehetra velirano!

IRINA HO TAFITA (22-07-22)