Filoha Ravalomanana – Tsy misy fampandrosoana raha tsy vita ny lalana

Isambilo

Nitsidika ny tany Ambohitrandriamanitra, distrikan’i Manjakandriana ny herinandro teo ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasiônalin’nhy antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM. Nambarany tamin’izany raha nihaona tamin’ireo vahoaka marobe tany an-toerana fa:

”Tsy namelako raha tsy tonga aty aho na dia teo aza ny haratsin-dalàna sy ny sakantsakana. Averiko foana fa tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto raha tsy vita ny lalana.”

Ratsy dia ratsy tokoa izany lalana mihazo ity kaominina ity izany, ka nitarainan’ny vahoaka tamin’ny filoha Ravalomanana. Nihaino ireo hetaheta samy hafan’ny vahoaka koa izy amin’izao fahasahiranana lalina mahazo ny rehetra izao, noho ny fiakaran’ny vidim-piainana nefa tsy ahitan’ny fitondrana Rajoelina vahaolana izay olam-bahoaka izay.