Asan-gazety sy vehivavy mpitarika – Solontenan’i Madagasikara any Maraoka i Arphine Rahelisoa

Stefa

Tanterahana any Benguerir any Maraoka amin’izao fotoana ny kaonferansa iraisam-pirenena faha-49, an’ireo mpanao gazety sy ireo mpiasa amin’ny sehatry ny serasera miteny sy mampiasa ny fiteny Frantsay, na ny “49e Assises internationales de la Presse francophone“. Loha-hevitr’izao fikaonandoha iraisam-pirenena izao amin’ity taona ity ny hoe: ”Leadership féminin au sein des médias; rôle des médias dans le renforcement du leadership des femmes”, na ”ny vehivavy mpitarika ao anivon’ny asan-gazety; ny anjara asan’ny asa fanaovan-gazety ho amin’ny fanatevenana ny fahaiza-mitarika eo amin’ny vehivavy”. Solontenan’i Madagasikara amin’izany kaonferansa iraisam-pirenena izany i Arphine Rahelisoa, mpanao gazety, talen’ny famoahana ny gazety Ny Valosoa Vaovao.

Handray fitenenana amin’izany fikaonandoha iraisam-pirenena izany izy anio mandritra ny dinika an-databatra boribory laharana faha-4 mandritra ity fihaonambe iraisam-pirenena ity. Ny loha-hevitra ho voaboasany amin’izany dia: ”Les femmes journalistes dans les zones de crises/conflits (y compris la crise sanitaire),” na ny vehivavy mpanao gazety amin’ny toerana mandalo krizy, na misy ady (ao anatin’izany ny resaka krizy ara-pahasalamana). Ho voaresaka amin’izany ny hasarotry ny asa, ny risika, ny mety ho fiarovana amin’ny fanaovana ny asa, ny andraikitry ny asa fanaovan-gazety, ny tsy famelana ny mpanao gazety hamoaka vaovao ary ny tsy fahampian’ny mpanao gazety manam-pahaizana manokana momba ny resaka valanaretina.

Vehivavy maromaro eto amin’izao tontolo izao izy ireo no hivaofy ireo loha-hevitra ireo, anisan’izany: Laure Siegel, mpanao gazety, correspondante Médiapart/Arte (Birmanie) ; Aneta Gonta, filoha lefitry ny Conseil de l’audiovisuel (Moldavie) ; Arphine Rahelisoa, talen’ny famoahana ny gazety, Ny Valosoa Vaovao (Madagasikara) ; Lailuma Sadid, mpanao gazety, Morning Newspaper (Afghanistan) ; Shayda Hessami : tale jeneraly ny Association Aide Humanitaire et Journalisme (AHJ) (Frantsa). Ny mpanentana ny ady hevitra dia: Ramatoa Pamela Morinière, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny FIJ (Belgique).

Ho an’i Madagasikara manokana, ho resahan’i Arphine Rahelisoa ny fampidirana am-ponja tsy ara-drariny azy, nataon’ny fitondrana Rajeolina, nandritra ny krizy ara-pahasalamana nanomboka teto amintsika ny taona 2020.

Ny kaonferansa iraisam-pirenena ho an’ireo mpanao gazety amin’ny tany miteny sy mampiasa ny fiteny Frantsay ireo dia efa nisy nandritra ny 70 taona teto amin’izao tontolo izao, mahatratra 250 ka hatramin’ny 300 ny mpandray anjara amin’ny ady hevitra isan-taona, mandritra ny hateloana.