RY MPANGALATRA FIAINGANA

Miakatra ny maripana dia mangalatra fiaingana?
Izany anefa dia mazava fa voararan’ny lalàna,
Saingy ireo mpitsara avo, toa mangina tsy miteny.
Asa! moa voatampina inona ny mason’izy ireny?

Miakatra ny maripana dia mangalatra fiaingana?
Hay ho tonga saina ihany manoloana ny hadalana?
Ny hany masaka ao an-doha dia ny hanangona, hiletra?
Ontsa anao aho ry mpitondra zatra bizina voretra!

Miakatra ny maripana dia mangalatra fiaingana?
Mihevitra fa mbola bado ve ny gasy iray tanàna?
Sanatria tsy izany intsony, tofoka izy, tena leo,
Ka dia nivadika tanteraka f’efa tena tsy anareo!

Miakatra ny maripana dia mangalatra fiaingana?
Rahoviana vao haato ny fanaovam-pilibana?
Fandaniana sesehena raha vao mba miseho vahoaka?
Mieboebo sisa atao fa efa tena tsisy hapoaka?

Miakatra ny maripana dia mangalatra fiaingana?
Roso anefa ny vahoaka fa miandrandra fanovana,
Ka tsy ianao izay nampahantra, nampilentika azy intsony,
Tsy azo inoana hoe ianao no mbola hambabo indray ny fony!

TSIMIMALO (19-07-22)