18 JOLAY – Mandela day, na andro iraisam-pirenena ho an’i Mandela

Ny Valosoa

Fanapahankevitry ny Firenena Mikambana (ONU), no nahatonga ny 18 Jolay ho andro natokana ho an’i Nelson Mandela ( Mandela day ) no filaza azy amin’ny teny anglisy.
Ny mpanarabaovao sy mpikaroka tantara rehetra dia samy mahalala ny tantaran’izany Nelson Mandela izany, ilay mpitaritolona mainty hoditra tany Afrika Atsimo, nijoro hatramin’ny farany nanohitra ny fanavakavahana ara-bolokoditra izay nafana nivaivay tany Afrika Atsimo. Nihiboka tany amponja nandritra ny taona maro i Nelson Mandela, nody ventiny ny rano natsakaina satria nahomby ny tolona notarihiny, satria na tany amponja aza ny tenany , ireo namany tao anatin’ny “Anc” na “Afican National Congress “taty ivelany dia tsy nitsahatra niady nanohitra ny endrim-panilikilihana rehetra, ny vokatry ny tolona dia io iaraha-mahita io, fa foana ny fanavakavahana any Afrika Atsimo, mainty hoditra avy amin’ny maro an’isa avokoa ireo filoha nifandimby tany Afrika Atsimo taty aoriana ary anisan’ny efa filoha i Nelson Mandela, ary ankehitriny dia ity firenena ity, no firenena afrikana goavana indrindra aty amin’ny kaontinanta misy antsika.

Fa mbola anisan’ny mampiavaka an’i Nelson Mandela ihany koa ny toetsaina nananany izay mitsipaka ny fanaovana valifaty, satria na dia an-taonany maro aza izy no tany amponja vokatry ny nataon’ny fotsy hoditra, dia namela ireo nahavita ratsy taminy, fa ny nataony ho zava-dehibe dia ny fampandrosoana ny tanindrazany tsy misy fanavakavahana intsony, koa tsy mahagaga raha i Afrika Atsimo no firenena matanjaka indrindra aty Afrika, ary firenena afaka nampiantrano voalohany ny ” Mondial 2010”, izay tsiahivina ihany koa fa firenena nampiantrano ny Filoha Ravalomanana taorian’ny fakana fahefana tsy an-drariny nataon’Ingahy Rajoelina tamin’ny 2009. Nanatrika ny ” Mondial 2010” tany an-toerana ny Filoha Ravalomanana ary niara-nipetraka tamin’ireo filohampirenena afrikana.

Vokatry ny tolona nataon’i Nelson Mandela dia lohalaharana i Afrika Atsimo amin’ny fampanajana lalàna, koa tsy mahagaga raha hentitra dia hentitra ny fepetra noraisin’ny fitondrana tany an-toerana, raha nisy ny fanondranana antsokosoko volamena nilanja73,5kg avy aty amintsika, Ingahy Filoha Rajoelina eto amintsika dia nanambara ny volana Janoary 2021, fa hiverina an-tanindrazana izy telo miarahalahy voatana miaraka amin’ny volamena, kanefa dia mbola ambatobevohoka ihany izany.

Tamin’ny Alatsinainy lasa teo ny 18 Jolay andro fanomezamboninahitra an’i Nelson Mandela, isika eto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao dia miondrika amim-panajana amin’ny zava-bitan’ity olomangan’i Afrika sy izao tontolo izao ity, ary vonona ny haka tahaka ny zava-bitany na dia hita aza, fa fihetsika tsy mifanaraka loatra amin’ny toetra feno fandeferana nampiavaka an’i Mandela no ataon’ny mpitondra amin’izao.