Etazonia – Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny demokrasia eto amintsika

Isambilo

Manohy ny fihaonana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana eto amintsika amin’izao fotoana, ny Ambasadaoro Amerikana vao vao, Ramatoa Claire Pierangelo. Efa nihaona tamin’ny filohampirenena izy ary efa nihaona koa tamin’ny Praiministra.

Hiara-hiasa amin’ny fampiroboroboana ny demôkrasia, hatrany amin’ny fiarovana ny tontolo iainaina miavaka eto Madagasikara, ny fanapariahana ny angôvo azo havaozina hitondra rianaratra any ambanivohitra i Etazonia hoy ny Ambasadaoro.

Ankoatra izay, i Etazonia dia manantena ny hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny fanohizana ny fanapariahana ny vaksiny iadiana amin’ny Covid-19, ary manantena fa tsy ho ela ireo tanora eto Madagasikara eo anelanelan’ny 12 sy 18 taona dia ho ekena hisitraka io vaksiny io ihany koa.