RMDM, kianjan’ny Finoana Behoririka – Sahia mijoroa hanavotra ny firenena ny sabotsy izao

Niaina

Hanao hetsika lehibe ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy izao ny RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demôkrasia eto Madagasikara. Araka ny nambaranr’ny Pasitera Edouard Tsarahame, filoha lefitry nasiônalin’ny RMDM any Toliara:

“mijoroa raha tsy zakanao intsony ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao, tongava ao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 23 jolay izao. Fotoana izao hijorontsika, satria tena mafy ny fiainana iainantsika. SAHIA, MIJOROA HANAVOTRA NY FIRENENA,” hoy ny fanambarany.

Tsy ny RMDM ihany, fa ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka sahirana noho izao fiakaran’ny vidim-piainana tsy voafehin’ny fitondrana Rajioelina izao, no hanatevina izany hetsika etsy Behoririka izany ny sabotsy izao io.