Vondrona ALDR – KMSI – Miantso ny FFKM, ny CFM, ny HCDDED hitarika ny fikaonandoham-pirenena

Helisoa

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tao amin’ny hotely Tsiky Ambohijatovo ny vondrona ALDR (Antoka ho amin’ny fahalalahana sy Lamina Demokratika anaty Rafim-paritra) sy ny KMSI (Komity Miaro ny Soa Iombonana) omaly zoma 15 jolay 2022, manoloana ny zavamisy eto amin’ny firenena. Nisy ny fanambaràna nivoaka tamin’izany, izay nosoniavin’i Randrianirina Jean Ignace sy Ramahenina Ranaivo Bruno.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika ankehitriny hoy izy ireo, sahirana ny fokonolona, aoka izay ny fifanomezan-tsiny, fa andao hiombon-kevitra hijerena ny lalan-kivoahana, na ara-toekarena, na ara-tsosialy, na ara-politika, ho an’ny tanindrazantsika iombonana, amin’ny alalan’ny fifampiresahana. Koa miantso ny rafi-panjakàna mijoro ny vondrona KMSI sy ALDR dia ny Komity ny fampihavanana Malagasy CFM, sy ny Mpanolotsaina Ambony ho Fiarovana ny Demokrasia sy ny Tany Tandalàna HCDDED ary ny ray amandreny ampanahy to teny dia ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara FFKM, ny handraisan’izy ireo andraikitra hitondràna ny adihevitra amin’ny alalan’ny donakafom-pirenena.

Aoka hoy ny fanambaràna ny tombontsoa ambonin’ny firenena, no ho banjinina dia ny fanatanterahana ny adi-hevitra mikasika ny lalàna rehetra momba ny fifidianana, ka ho akapoka ho iray ny rafitra handaminana izany tsy hitanila, ka handraisan’ny rehetra anjara: inclusif ary ekena ny voka-pifidianana hivoaka ao. Izay isika hoy ny fanambaràna vao miroso amin’ny fifidianana.

Miantso ny hery rehetra izahay hoy izy ireo, mba ho tanterahina faran’izay haingana raha azo atao mba alohan’ny faran’ny taona ny adihevitra mikasika izany. Loza mampihetry ny firenena ny fifanapotehina fananana, ny soa iombonana ary ny fahaverezan’asa. Teo ihany koa ny fanagadràna noho ny baiko politika amin’ny hevitra tsy mitovy, ka ny TENIERANA ihany no tokony hampanjakaina. Noho izany, miangavy ny mpanao politika izahay hoy ny ALDR sy ny KMSI, sy ny vahoaka mpanaradia, mba ho tony ary tsy hifampihantsy mety hiteraka fampisaraham-bazana indray, noho ny tetika maloto. Firenena iaraha-manana ity ,ka anaovanay antso ho an’ny rehetra  aoka izay ny hevi-dravina sy ny hevi-dratsy na ho an’ny mpanohitra na ho an’ny mpitondra, hoy ihany ny fanambaran’izy ireo.