Fetim-pirenena Frantsay – Mahay mifandray amin’ny rehetra ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Nanatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay, ny 14 jolay, teny amin’ny tranon’ny Masoivoho Frantsay eto amintsika, teny Ivandry afak’omaly, ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM. Toy ny isan-taona, tamin’ny tsy nisian’ny valanaretina coronavirus dia niatrika izany fetin’ny Renimalala izany hatrany ny filoha Ravalomanana dia izao efa nohalefahana izao indray ny fepetra ara-pahasalamana dia tonga teny Ivandry izy nanome voninahitra ny fety teny an-toerana.

Nandritra izany, niresaka tamin’ny sokajin’olona rehetra izy, satria hainy ny mifandray amin’ny rehetra, niresaka tamin’ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika, niresaka tamin’ny mpitondra niatrika izany lanonana izany, nitafa tamin’ireo mpanao politika, ny mpandraharaha, ny mpitondra fivavahana, hatramin’ny olon-tsotra,… dia nifandray tanana sy nikoragna taminy avokoa.

Nohararaotin’ny mpanao gazety teny an-toerana koa ny nanontaniana azy mahakasika ny raharaham-pirenena, mbola nanamafy ny filoha nasiônalin’ny TIM sy ny RMDM, fa tena mijaly sy fadiranovana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, noho izany, ilaina ny fikaonandoham-pirenena, hijerena vahaolana maharitra, hivoahana amin’izao krizy ara-potika, sy ara-toekarena ary ara-tsôsialy mianjady amintsika izao. Ny fifanatonana sy ny fifampidinihana ihany hoy izy, no anisan’ny lalana hialana amin’ny mety ho korontana vokatr’ireo krizy lalina mahazo antsika ireo izao.