Mpanao gazety Ony Rambelo – Nalevina any amin’ny fasan-drazany eny Ambatomirahavavy

Ny Valosoa

Omaly no nanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan’ny namana mpanao gazety Ony Rambelo, tao aorian’ny fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Ilay Tsitoha tao amin’ny FJKM Imerintsiafindra Ambatomirahavavy dia nalevina tao amin’ny fasan-drazany eny an-toerana ihany izy.

Nanotrona farany ny nofo mangatsiakany: ireo havana, tapaka sy namana, indrindra ny fianakaviamben’ny tontolon’ny serasera, amin’ny maha-mpanao gazety sy mpanentana fandaharana an’i Ony Rambelo fahavelony. Ny alakamisy hariva teo izy dia notoloran’ny fitondram-panjakana, ny mari-boninahitra chevalier de l’ordre national Malagasy, tao aorian’ny nahalasanany, na à titre posthume.

Nitsapa alahelo ny fianakaviany koa talohan’io fotoana io, ireo mpanao gazety, mpanentana fandaharana, naman’i Ony Rambelo fahavelony. Namana, rahalahy, efa tonian-dahatsoratry ny gazety Valosoa Rambelo fahavelony. Mandria am-piadanana Ony Rambelo.