16 Jolay – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao, mahakasika tranga misy aty Mahajanga.

Nanao fanangonam-bola tany Tanà ny MCC hoe hanamboarana ny Maison des Maires aty Mahajanga, tamin’ny volana desambra 2021. Tsy nisy fifampiresahana t@ CM Mahajanga anefa io, fa natao bontolo fa mihevitra ho tompon’i Madagasikara. Taorian’ny fanangonam-bola vao niresaka t@ CM Mahajanga. Tsy nanaiky hatramin’ny farany izy ireo ny hikitihan’ny Mcc ity Maison des Maires ity. Natao aiza ireo vola be voaangona? Ara-dalàna ve izany fanangonam-bola izany ?Mba misy manara-maso ve ny fitantanam-bola ao @ ity Mcc ity? Sa matahotra an’i Ramatoa minisitra ny IGE, ka manao izay tiany atao ity mpitondra tenin’ny governemanta ity amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka? Izao mbola manao “racket” @ fomba mihaja izao.

Dia tsy mahalala izany ve Rajoelina sy Ntsay sa sao kopaka isasahana? Nogadraina mihitsy moa ny Pdt CM Mahajanga. Misy ifandraisany ve ity resaka fandavana sy fanagadrana ity?

R. Ignace

Amborovy- Mahajanga