Mijoro ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana any Toliara

Niaina

Ho fiatrehana ny raharaham-pirenena, indrindra ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eto amintsika, na ho amin’ny taona 2023, na mialohan’izay, na afaran’izany, mijoro any Toliara amin’izao fotoana ny KMMR, na ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana.

Natao ny alarobia teo tokoa tany Toliara ny fampijoroana “PlateForme”, na ny vovonana KMMR, “KOMITY MANOHANA an’i MARC RAVALOMANANA, ka ny kôlônely RABE Jules, Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana teo aloha, tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana no nankatoavin’ny tany an-toerana hitarika azy, izany dia ivondronan’ny rehetra tsy ankanavaka mahatsapa fa latsaka an-katerena ny firenena, ary tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao, ka mila fanavotana.

Ao anatin’izany vovonana izany ny RMDM, ny TIM, sy ireo antoko sy fikambanana maro samihafa, resy lahatra amin’ny pôlitikan’ny filoha Marc Ravalomanana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.