Fitaterana an-drenivohitra – Tsy handoa hetra ireo taksi afaka herinandro

Stefa

Tsy handoa hetra ireo taksi eto an-drenivohitra mivondrona ao amin’ny FTAR (Fikambanana Taksi Antananarivo Renivohitra), raha tsy foana ireo taksi-moto afaka herinandro.

Nambaran’izy ireo fa manome fe-potoana herinandro ny fanjakana ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra hanafoanana ny Taxi-moto. Tsy handoa hetra intsony izy ireo raha toa dila io fe-potoana io, ka tsy misy fandraisana andraikitra.

Vola manodidina ny 160000 Ar isan-taona eo, no aloan’ny taxi iray amin’ny fandraisana anjara amin’ny fandoavan-ketra, sy ireo taratasy ahafahan’izy ireo miasa ara-dalàna. Ireo taksi-moto anefa hatreto dia sady tsy mandoa hetra, no mampanahy be ihany ny fandraisana azy, satria misy amin’izy ireny no tsy azo antoka fa olon-dratsy, ka ilana fitandremana ny fampiasana azy.

Na izany na tsy izany, mahavonjy amin’ny famonjena fotoana izy ireny, ka tokony ho jeren’ny tompon’andraikitra akaiky sy lalina ny famahana ny olan’ny taksi, sy ny taksi-moto izao.