Faritra Menabe – Sahirana amin’ny fitrandrahana vaovao ireo mpanao gazety

Rajepa

Tsy ny any an-drenivohitra ihany, fa sahirana amin’ny resaka fitrandraham-baovao koa ny any amin’ny faritra amin’izao fotoana, noho ny antony samy hafa: ao ireo loharanom-baovao tsy misokatra ny fanomezany vaovao, ao ny teritery amin’izay asa fanaovan-gazety izay, ny tsy fisian’ny fiarovana ho an’ny mpampita sy mpizara vaovao manao fanadihadiana lalina, sy mampitsakafona loha-hevitra isan-karazany,…

Anisan’ny manana olana amin’izay fitrandraham-baovao izay amin’izao fotoana ny any amin’ny faritra Menabe. Manomboka sahirana ireo mpanao gazety ato amin’ny faritra Menabe amin’ny fitrandrahana vaovao, satria dia misy ny tsindry sy sakatsakana, satria vao tsy ela izay no nahenohana fa misy baiko ho fanilihana ny mpanao gazety izay tsy mpomba ny fitondrana avy any ambony any, hoy ny tompon’andraiki-panjakana iray ary isan’ny niantefan’izany resaka izany moa ny mpanao gazety eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Tsy vitan’izay fa misy koa ny ramatahora izay miseho isan’andro ataon’ny mpiara-dia amin’ny fitondrana ary vao ny alarobia teo no nahazo antso avy amin’ny namana tsara-sitrapo koa ny mpanao gazety, fa misy olona manaraka akaiky ary mety hamoronana dossier, satria tsy mety amin’ny sasany ny marina mivoaka.

Hatreto dia mitaintaina isaky ny manao ny asa ary hitan’ny olona sasany izany fanaovana tsinontsinona ny mpanao gazety izany dia manao koa izy ireo toy ny tranga izay niseho tamin’ny alatsinainy teo tamin’ny mpanao gazety roa vavy dia Razafindrahety Suza avy ao amin’ny radio RVS Morondava sy Amicko Philbert avy ao amin’ny radio Antsivabe Morondava, tonga nitrandraka vaovao teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiarakodia izay manao ny zotra Nasionaly, nataon’ireo mpitatitra tao amin’ny koperativa CONTRASAM tsinontsinona ary nihàran’ny herisetra ara-moraly sy ny fanevatevana ary ny fanambaniana ny gazety sy ny asa fanaovan-gazety ary tsy nahazo fanazavana mikasika ny fampiakarana ny saran-dalana, satria moa ity kaoperativa ity dia isan’ny tonga dia nampiakatra ny saran-dalana ho dimy alina ariary, raha mbola tsy nisy toromarika nivoaka akory.

Miaina ao anaty teritery tanteraka ary toy ny tsy misy mpiahy ny mpanao gazety ato Menabe amin’ny fanatanterahana ny asany, tsy vitan’izay fa sady tsy hita ary tsy hahenoana feo ny filoha lefitry ny OJM ato Menabe na dia maro aza ireo tsindry izay efa nitarainan’ny mpanao gazety tamin’ny filoha lefitra dia ny valin-teny azo tamin’izay dia ny hoe: mbola hivory isika dia nanomboka teo no tsy hita izy na ny fankalazana ny 3 Mey aza tsy natrehany. Efa miezaka mandray ny andraikiny ihany ny fikambanan’ny mpano gazety aty MENABE, nefa mila ny fanampian’ny rehetra, satria zon’ny olom-pirenena rehetra ny hahazo vaovao marina sy maro lafy.