Raharaham-pirenena tsy mandeha – Tsy afaka ny hangina intsony ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, misy ny fanambarana avy amin’ny HMF: Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, milaza fa tsy afaka ny hangina intsony izy ireo:

“Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan’andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin’izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!” (Mpitoriteny 10,17).

” Natao ihany ny hangina fa tsy afaka mangina, manoloana izato fahasahiranan’ny mpiray tanindrazana amin’ny tena. Ny tena fitiavan-tanindrazana tokoa manko dia tsy fitiavana ny vovo-tanin’i Madagasikara akory, fa fitiavana ny mponina ao aminy, amin’ny fitiavana marina; tsy arahim-piarovan-tseza na tombontsoa manokana.

Tonga amin’ny kihon-dalana azo nihodivirana tsara ny firenena ankehitriny ary tsy mety ny mangina, ka hiray volo amin’izany tsy fahombiazana na tsy niniana natao aza dia mariky ny tsy fahatsinjovan-davitra eo amin’ny fitantanana ny fiainam-bahoaka. Raha nidina hatrany ambanin’ny 10 dolara aza ny barila ny solika dia tsy nojerena izany, fa navela haka ny tombony rehetra ireo mpandraharaha momba izany, sy izay mahazo tombony avy amin’izany. Tsy vao izao no nisy ny “fiakarana mihoa-pampana teo amin’ny vidiny iraisam-pirenena, fa efa nisy foana izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny taona 2006 isika, ka nahatafakatra azy efa ho 146 dolara, fa izay mitranga ankehitriny dia manodidina ny 100 dolara. Manampy trotraka ny eto amintsika ny faharatsian’ny lalana nefa ny taxe momba ny solika nalaina tamin’ny mpanjifa hatrany hoe: hanamboarana na hikojana ny lalana. Nankaiza izany ankehitriny? Raha notakiana ny fidinan’ny vidin’ny solika tamin’izany dia nilaza ny fanjakana, fa mbola ananan’ny mpandraharaha trosa ny fanjakana ka ho fifanalana amin’izany, no tsy nampidinana azy, moa ny sandam-bolantsika tsy ahafahana manao izany rahateo, hoy izy ireo. Nandritry ny fotoana lava ihany anefa no nisian’izany fidinana farany ambany izany, fa tsy afaka nisitraka izany ny vahoaka Malagasy. Ankehitriny, tafakatra eo ambony kelin’ny 100 dolara ny vidiny ary dia milaza indray isika, fa tsy azo ihodivirana ny fiakarany. Rehefa midina izy izany dia tsy azo ampiharina, fa rehefa miakatra izy dia tsy azo ihodivirana. Tsy vao izao ny fiheverana ny vahoaka ho bado ny fampitahana ny vidiny any ivelany sy eto amintsika; ny antony dia efa nisitraka soamantsara ny fidinan’ny vidin-tsolika ny ankamaroan’ireny firenena ireny sady ambony ny PIB any amin’izy ireo, ka mifandanja tsara amin’ny vidin’ny solika ny karama farany ambany. Tsy maintsy nolazaina izany, saingy tsy fotoanan’ny ifanomezan-tsiny izao, fa fotoanan’ny fahatsiarovan-tena:

Ho an’ny Mpitondra: hifampidinika amin’ny rehetra rehefa hita fa tsy tafavoaka ny tena, na hametra-pialana am-pitoniana rehefa mahatsapa fa efa mihoatra ny lohan’ny tena ny olana samihafa; ny mampiavaka ny mpitondra amin’ny vahoaka manko dia olona natao hamaha-olana izy, fa tsy mpilaza na mpitaraina olana.

Ho an’ny vahoaka: fotoana fandinihan-tena izao fa tena mila mandinika lalina rehefa taom-pifidianana fa tsy matin-kanin-kely, ka natakalo fanomezana tsy nahavita taona ny safidin’ny tena, fotoana fandinihan-tena koa izao ary hieritreretana ny ho avy tsy ho ela, fotoana hanenenana noho ny tsy nanaovana ny adidy tamin’ny fifidianana, ka ny hafa no nanao izany ho anao; fotoana izao hiovan’ny toe-tsaina hoe “leo polittika “izahay, izany angaha hihinanan-kanina. Ny politika tompoko dia mety hameno ny vilaninao ary mety hikaoka hatramin’ny fara vodi-vilany aza. Samia mandinika fa nomen’Andriamanitra saina handinika isika rehetra.” hoy ny fanambarana.