Artista ao amin’ny OMDA – Tsy mila ny ministra Lalatiana, mpampisara-bazana intsony

Rainilita

Tsy mila an’Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny kolontsaina sy ny serasera mpanao didy jadona hitsabatsabaka amin’ny raharahan’ny OMDA intsony, ireo artista mpikambana ao aminy araka ny fanambarana nataon’izy ireo, tetsy amin’ny “Salle d’Oeuvre Ekar Faravohitra” omaly alarobia 13 jolay 2022.

Nambaran’izy ireo tao anatin’ny fanambarana nataony koa fa: “manitsakitsaka ny lohan’izy ireo ary tsy manisy hasiny azy ireo mihitsy ny minisiteran’ny kolontsaina tarihan’ity minisitra ity. Nalain’ny minisiteran’ny kolontsaina koa, hoy ny fanambarana nataon’ireo artista ny « base de données » misy ny mombamomban’ny mpamorona sy ny sanganasany « données personnelles » nandritra ny 38 taona, izay tsy azo avoaka ao amin’ny OMDA ».

“Tena manao fihetsika mampizarazara ny artista ity minisitry ny kolontsaina Malagasy ity, ka tsy mankasitraka sy tsy maniry ny ho eo ambany fiahiany intsony ny artista Malagasy mpikambana ao amin’ny OMDA. Mitaky ihany koa ny hanajanonana ny fifanarahana izay nosiniaviny niaraka tamin’ny Manoova izy ireo ary aoka tsy hikitika sy hamatotra ny OMDA intsony aloha ny minisiteran’ny kolontsaina”.

Ny filohan’ny filankevi-pitantanana nofidian’izy ireo koa, Razafiarison Francis Turbo araka ny fanambarana dia lasa mpanara-drenirano fotsiny ao anatin’izany resaka izany, amin’ny maha-tale jeneraly ao amin’ity minisitera ity azy. Mangataka ny filoham-pirenena araka izany ny filankevi-pitantanan’ny OMDA, mba hiteny sy hananatra ny minisitra Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana mikasika an’io raharaha OMDA io.