Mpanakanto Rah-Ckiky – Miala Rajoelina sy Ntsay fa tsy mahay mitantana

Ny Valosoa

Nanao fanambarana tamin’ny facebook ny mpanakanto Rah-Ckiky, na Christian Zafimamy no tena anarany, nilaza fa tsy mahay mitantana ny fitondrana Andry Rajoelina sy Ntsay Christian, manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana sy ny fahasahiranam-bahoaka, noho izany dia tokony hiala izy ireo hoy izy:
Araka ny fanambarany: ”mangataka izahay ny hanajanonana ny vidin’ny “carburant” amin’io vidiny teo aloha io ihany. N’inon’inona fivoriana nataonareo, n’inon’inona negociation na fifampiraharahana nataonareo dia tsy zakanay malagasy io zavatra io, ary izahay dia hitroatra ka tsy hanaiky intsony manomboka eto. Aza mieritreritra hoe izahay no vitsy kely, ianareo “orange” ireo no vitsy ary aza miseho mizesta any anaty Media hoe rehefa misy ny fotoanan’ny fifidianana ka tsy maintsy i Andry Rajoelina no ho tonga eo, dia fantaro fa ianao no nampahantra anay, satria rehefa nampidinina ny vidin-tsolika eran’izao tontolo izao, ianao tsy nety nampidina, inona no antony? Izao izy miakatra, manaiky ny fiakarany ianao, ka izahay dia miala tsiny fa izahay dia vonona amin’ny zava-drehetra.

Hamory ireo namanay ao amin’ny GMAFI na Gasy Mahitsy Fijery izahay, hanatanterahana hetsika goavana amin’ny fotoana maha mety azy.
Tiako ny Tanindrazako, tsy an’ny orange fa an’ny Malagasy rehetra, raha marary ny malagasy dia izaho koa marary.
Izahay handray fanapahan-kevitra faran’izay haingana hamory ireo namana.
Izay tsy manaiky izao zavatra izao dia miavaha fa tsy asianay olana, izahay tsy manaiky tsy hangataka fotoana ela intsony.”