Volan’ny mpamatsy solika – Misavovona indray ny trosany tokony ho efain’ny mpitondra

Andry Tsiavalona

Niandry aty aorian’ny Fetim-pirenena, vao sahy nampiakatra ny vidin’ny lasantsy ny fitondrana Rajoelina Andry ary dia nihambo indray fa mitsinjo ny vahoaka madinika hono. Ny marina izay tsy fantatry ny vahoaka tsy mandady harona anefa dia izy ihany no mameno ny elanelam-bidy eo amin’ny vidiny tena izy raha ny vidin’ny barila iray eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny vahoaka mandoa hetra ihany no mameno ny banga amin’ny alàlan’ny hetra aloany. Raha ny marina mantsy dia tsy latsaky ny valo arivo ariary no tokony ho vidin’ny iray litatra amin’ny lasantsy kanefa dia latsaka ariary zato ny enina arivo eny amin’ny toby famatsiana.

Araka izany dia misavovona indray ny trosan’ny mpamatsy solika tsy maintsy ho efain’ny mpitondra. Ny loza anefa dia ny eo tsy voahilika, ny eo mitombo ihany. Nitsinjo ny vahoaka ihany koa, hono, ny mpitondra ka izy no nametra ny saran-dàlan’ny fitateram-bahoaka ho enin-jato ariary. Ny zava-doza ihany koa dia ireo mpitantana kôperativam-pitaterana, izay nilaza tamin’izany fotoana izany, fa manohana izao fitondrana izao ihany no nifampiraharaha momba io fisondrotan’ny saran-dàlana voalaza etsy ambony io. Araka ny fantatra anefa dia ny any amin’ny Faritra dia nampiakatra ny saran-dàlana dimampolo isanjato raha oharina amin’ny teo aloha. Raha ny marina ihany koa dia tsy anjaran’ny fitondrana sy olona vitsivitsy no mametra izany fa fanapahan-kevitra miaraky ny koperativa rehetra mijoro sy miasa eo amin’ity sehatra ity. Na tiana anefa na tsy tiana dia roa andro taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika dia efa hita eny an-tsena rehetra eny fa miakatra sahady ny vidin’ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro. Ny mahagaga dia tsy sahy milaza ny tena marina toy ny nataon’ny tale jeneralin‘ny OMH ny filohan’ny Repoblika.

Ampahatsiahivina fa zato sy efatra arivo no ividianana ny iray litatra amin’ny gazoala any ampotony kanefa efajato sy telo arivo no namarotan’ny tobim-pamatsiana izany talohan’ny niakarany. Araka izany dia nisy fitonjato isaky ny litatra izany no nofenoina izay misitery aloha hatreto hoe avy aiza izany. Azo inoana fa afaka fotoana fohy dia hahatsapa ny mpiasa rehetra fa tsy misy varany ny fanondrotana karama, dimy, teloambinifolo, dimy ambiroapolo isan-jato nomen’ny fitondrana.

Etsy ankilany dia hisy fiantraikany amin’ny orinasa tsy miankina ihany koa ny fisondrotry ny solika izay hanery ny tompon’ny orinasa hampihena ny mpiasa ao aminy ary dia hitombo indray koa ny tsy an’asa izay hampirongatra ny tsy fandriampahalemana indray. Mitatao eo an-dohan’ny Malagasy indray ny loza manaraka haterak’ity fisondrotry ny vidin’ny solika ity. Mahari-pery tokoa ve ny Malagasy sa matahotra ny famoretana ka tsy sahy mitraotra? Mbola ao an-tsain’ny maro ny fisainana hoe “aleo maty rahampitso, toy izay maty anio” sy ny hoe “aleo mihinan-kely, toy izay mandry fotsy”. Raha ireo hetsi-bahoaka ny teto amin’ny Firenena anefa dia tsy nampoizina avokoa ny fanoherana nataon’ny Malagasy ireo tsy rariny sy tsindry natao taminy. Niaina, tsy nanana olana teo amin’ny ara-tsakafo ny vahoaka nandritra ny Repoblika I, ary ambony dia ambony ny fahefa-mividy. Singam-bolo nandavo ny vositra anefa ny tsy namahana ny olan’ny mpianatra. Tsy nitsaha-nitotongana ny faripiainan’ny Malagasy tamin’ny Repoblika II ary tsy nampoizin’ny fitondrana ny fionganany. Efa nisy masoandro nihiratra ho an’ny Malagasy ny fitondrana Ravalomanana Marc kanefa tsy fitiavan-tanindrazana loatra no nanentana ny mponina sasany teto an-drenivohitra indrindra indrindra, fa ny fahaizan’ny mpitarika ny hetsika nampilendalenda azy ireo fiainana tsaratsara kokoa. Amin’izao fotoana izao dia mbola mampanantena volana ny Malagasy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, tsy nisy tanteraka ireny na dia misy milaza aza fa maro no efa vita, satria herintaona mahery kely sisa dia ho tapitra ny fepotona hiasany vao hifototra amin’ny fambolena indray ny fampandrosoana. Toy ny ganagana tsy hary nify ihany izao fitondrana izao kanefa nanakora saka banga.