Fiara maty no misakana ny varavarana – Misy fitsipahana ny fanalana ny lehiben’ny CISCO any Manandriana

Stefa

Mafampana amin’izao fotoana ny eo amin’ny tontolon’ny fampianarana any amin’ny distrikan’i Manandriana faritra Amoron’i Mania, misy ny fitsipahana ny fanalana ny lehiben’ny Cisco any an-toerana. Heverin’ireo manohana ity lehiben’ny fari-piadidian’ny fampiabnarana ity fa nahavita be teo amin’ny sehatry ny fampianarana any an-toerana izy, ka tsy tsapahan’ny any an-toerana ny fanalana azy noho ny resaka politika.

Araka ny vaovao voaray, olona mbola tsy tena mpiasam-panjakana raikitra, tsy manana traikefa loatra amin’izany sehatry ny fanabeazana izany ary voalaza fa efa ratsy fitantanana tamin’ny asany teo aloha, no hasolo ny lehiben’ny fari-piadidian’ny fampianarana miasa ao Ambovombe Centre.

Ny ho lehiben’ny CISCO vaovao dia voalaza fa avy amin’ny TMH, miara-dia amin’ny antokon’ny fitondrana: TGV. Ny mahavariana sy mahatsikaiky amin’ity hetsika any Manandriana ity, tsy misy doro “pneu”, tsy misy sakan-dàlana, fa fiara maty no misakana ny varavaran’ny biraon’ny CISCO, tsy hidiran’izay ho sefo CISCO vaovao.