EDITO 14 Jolay – Mikorontana etsy sy eroa vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra

Helisoa

Miha-mafana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny. Mikorontana etsy sy eroa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ity fitondràna Andry Rajoelina ity. Betsaka loatra ny lainga afafy tamin’ny vahoaka Malagasy, na tamin’ny propagandy, na izao efa mitondra izao, ka tsy zakan’ny olona intsony. Mihevitra angamba ny filoha Andry Rajoelina fa dondrona sy donto ny Malagasy, ka manaiky izay teneniny fa tsy hitroatra.

Migrevy ny fiara fitaterana vokatry ny fiakaran’ny vidin’ny solika efa ho 44%, satria tsy araka ny tokony izy araka ny nambaran’ny mpitatitra sasany ny 100 ariary nampiakarana ny saran-dalana. Ny kojakoja ankoatry ny gasoil miakatra hatrany ary ireo hetra alaina amin’ny fiara. Ny resaka lavanila indray dia mitroatra ny mpamboly lavanila satria tsy misy mpaka ny entana na varoboba aza. Miakatra ny saran-dalana amin’ireo zotra nasiônaly sy rejiônaly, izay tsy takatry ny fahefa-mividy intsony, hany ka lasa ny vahoaka samy vahoaka no miady vokatr’izany. Ny PPN miakatra andro aman’alina, fampanantenana poak’aty foana no iainan’ny vahoaka hoe hatreto ny farany amin’ny vidin’entana; nefa tsy arak’izay akory.

Mikorontana ny andavanandron’ny mponina ankehitriny, ny karama nampanantenaina fa hiakatra tsy mahavita inona akory. Re aza fa mbola tsy nisy ny didy fampiharana ho an’ny mpiasa tsy miankina, mbola tsy hita hatramin’izao, roa volana taorian’ny fanambaràna nataon’ny filoha Rajoelina. Izay ilay mpitondra tsy mitsinjo ny ho avy, tsy mitsinjo vahoaka, fa ny rendrarendra sy loko miraradraraka no mameno ny Tanàna.