IZA IZAO NO TENA V ?

Iza izao no tena V fa loharanon’ny korontana?
Ry Ingahy Mera tsy misaina fa dia tia mamaly bontana,
Sa ireo olona mivelona amin’ny asa fitaterana,
Nefa dia ailikilika sady tsy omena toerana?

Iza izao no tena V: ireo tia mampanantena volana,
Nefa hatreto tsy mahomby, tsy mahita vahaolana,
Sa ireo olona mpivarotra efa tena miampanampana,
Nefa indreo mbola takiana volabe mihoapampana?

Iza izao no tena V: ireo tsisy hatao fa mihalangalana
Manoloana ny fitohanana sy ny faharatsian’ny lalana,
Sa ireo vahoaka tsotra tena tsy mahita tsirony,
Sady mbola tapatapaka na ny rano na ny jirony?

Iza izao no tena V? mba mila valiny aza fady:
Ireo akama tsy mahomby nefa akarina girady,
Sa ireo olona mitokona fa mitaky izay mba zony,
Nefa toa arirariranao mpitondra ery ambony?

DADAN’i RIANA (07-07-22)