HO ANAREO EKIPAN’NY TSY MISY KALITAO

Eto dia ny tsy mahomby hatrany hatrany no be vava,
Na dia efa voaporofo fa sokajin’ny mpandrava.
Olon-tonga tampotampoka fa tsy nisy fiomanana,
Hany ka miseho hatrany ilay atao hoe “havendranana”!

Tsy ao anatiny mihitsy izany hoe fahamatorana.
Lalam-poza hatrany hatrany no tereny mba hizorana.
Tsapatsapa sy andranandrana, izany foana no mibahana,
Ary dia vao mainka loza fa laroiny fidedahana!

Tsy indroa na hoe intelo no niteniteny foana,
Sady izay ny hoerahoera no andaniany ny fotoana.
Kajy an-kandrina tsy vitany,hany ka mampalahelo.
(Toy ny zaza vao hisondrotra mba ho taona fahatelo!)

Tenin-drazana tsy hainy, mampisento, mampandositra.
(Ahoana moa no hikasana ny hampanaraka omby vositra?)
Toa tsy fantany ny hevitry ny atao hoe velirano,
Ka izao ny firenena no indro fa mahita angano!

Eto dia ny tsy mahomby hatrany hatrany no mirehaka.
Lalina ny sekosekony hitadiavana mpitehaka!
(Saingy misy ihany anefa tehatehaka tsy miato,
Mba hoenti-manakora sy ho solon-torabato! )

…Ka dia ‘zao no hafatrafatra ry tsy misy fahombiazana:
Tsara ho anareo ny miala f’efa miaiky ny mpitazana.
Tsy ny eto irery ihany f’efa izao tontolo izao
No miara-miaiky f’ianareo dia tena tsisy kalitao!

DADAN’i RIANA (09-07-22)