ANY IANAO RY ILAY VAZIMBA

Any ianao ry ilay vazimba sokajiana ho mpandrava,
Nefa dia mirehareha fa hoe mahay sy maila-bava.
Moa ianao dia tsy milamina sy efa toa marary saina,
No miteniteny foana toy ny olona “midaina”?

Be no efa leo anao ka te haneso sy hanakora,
Noho ianao ilay mievotrevotra amin’izato piti-drora.
Tsy hahatonga anao ho lava ny eso sy fankahalana
Ho fanenjehana an’i Dada ry ‘lay olona vavana!

N’inona n’inona angano, laingalainga sy honohono,
Hoentinao hankahalana ilay “mpivarotra ronono”,
Dia vao mainka koa tsarovy, izany no ho reharehany,
Hampisandratra an’i Dada n’aiza toerana halehany.

Ianao no zatra mievotrevotra ary dia manindrahindra,
Mampiseho fa ny “fitiavana, io no lehibe indrindra”,
Nefa dia fankahalana, izay no ezahinao haely,
Ka meteza hisaina lalina, mandiniha ry Naivokely!

Raha lazaina ho mampandroso ity ilay hoe “fisolelahana”,
Raha mampiakatra “ny laza” izany atao hoe “fidedahana”,
Dia ho lasanao ny amboara ry filohan’ny vazimba
Sady mpiara-miombon’antoka amin’ny jiolahy mpanimba!

TSIMIMALO (03-07-22)