Teratany Malagasy manana zom-pirenena hafa – Tsy azo ialana ny fikaonandoham-pirenena ho fampandrosoana

Isambilo

Tao aorian’ireo fangatahana maro natao teo anivon’ny Antenimierampirenenana Frantsay, sy tamin’ny Filoha Emmanuel Macron amin’ny maha-filohan’ny Vondrona Eropeanina azy, dia nihaona nanao dinik’asa niaraka tamin’ireo mpiandraikitra ambony eo anivon’ny departemanta : Directorate – General for International Partnerships sy ny European External Action Service, ny fikambanan’ireo Malagasy manana zom-pirenena hafa.

Noresahina tamin’izany ny tohin’ilay fandalovan’ny iraka manokan’ny Vondrona Eoropeanina farany teo ary indrindra ny fikaonandoham-pirenena, izay tsy maintsy hatao, hahatongavana amin’ny demokrasia tena izy sy fampandrosoana ny firenena. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny ezaka efa natao tamin’ny taona lasa 2021 izany, ary fitohizan’ny amin’ireo fihaonana ataon’ny Collectif eo anivony ONU, na Firenena Mikambana sy ny Kongresy any Etazonia.

Fifandrifin-javatra ve, fa amin’izao fotoana izao koa dia tonga ny masoivoho Amerikanina vaovao eto Madagasikara Claire Annette Pierangelo, rehefa tsy nisy nandritra ny taona maro.

Araka ny vaovao voaray dia mahenika ny firenena maro ankoatran’ny any Eoropa, Amerika avaratra, Azia ity fikambanana teratany Malagasy manana Zom-pirenena hafa ity. Fikambanana misahana ny fanabeazana ho olompirenena vanona, sy fikaonandoha ho amin’ny fampanjakana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna.