Delestazy – Tezitra amin’ny Jirama koa ny mpanakanto Mr Sayda

Aly

Noho ny delestazin’ny Jirama miverina indray tao aorian’ny fety, tezitra amin’ity orinasan-jiro sy rano ny mpanakanto Mr Sayda, satria nihàran’ny fahatapahan-jiro maharitra izy sy ny ankohonany omaly. Raha ny nambaran’I Mr Sayda: ”eny tokoa ry Jirama tsy mba niteny aho hatrizay satria tsapako hoe maro ny olana sedrainareo … Anisan’ireo olona misedra délestage fara fahakeliny 30 minitra isanandro aho ato antranoko (Ampefiloha) fa tsy mimenomenona aho satria olombelona sy Malagasy mitovy amin’ny rehetra. Fa ANIO KOSA MBA ANNIVERSAIRE NY ZANAKO MBA FANGATAHANY HANAO FETY ATO AN-TRANO MIARAKA AMIN’IREO ZAZA MITOVY TAONA AMINY. TAMIN’NY 3 ORA ORA FANOMBOHANY FETY KA HATRAMIZAO ORA HANORATAKO IZAO TAPAKA NY JIRO NA MBA NANDIHY TSY NATAON’IREO ANKIZY IREO ARY NAKA SARY TATO ANATY MAIZINA IZAHAY. MILA MODY IREO ZAZA REHETRA NASAINA NIFETY IREO SATRIA TONGA NY LERA IZANY NO MBA SOUVENIR NENTIN’NY ZANAKO NA NY GATEAU AZA TANATY MAIZINA. MANKAHERY SAHADY IREO MARARY MILA HERINANRATRA, IREO MITADY MILA HERINARATRA. FA TADIDIO RY JIRAMA FA MIVELONA AMBONY ALAHELOMBAHOAKA IANAREO. OLOMBELONA TOA AN’NY OLON-DREHETRA AHO MBA MALAHELO SATRIA ANDRO IRAY TOA ZATO HO AN’ILAYMENAKY NY AIKO ANIO… 2h30 HATRETO NY DELESTAGE OMENAREO ANAY… TANDREMO FOTSINY NY SAROMBILANY REHEFA HANENO… FA TSY VAHOAKA VOAHOZONA KOA IZAHAY. AMBAVA HOMANA … AMPO MIERITRERITRA,” hoy ny fanambaran’ity mpanakanto ity.