Alliance Diaspora Malagasy (ADM) – Tena misafotofoto ny raharaham-pirenena, sahirana ny vahoaka

Isambilo

Tafaresaka tamin’i Amirale Van Alexandre, tanora Malagasy ao anatin’ny diaspora any ivelany, filohan’ny ADM : Alliance Diaspora Malagasy, ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Dinidinika :

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV) : nankalaza ny fetim-pirenena isika tamin’ny herinandro lasa teo iny, tena mahaleotena marina ve i Madagasikara ?
-Amirale Van Alexandre (AVA) : ny zavatra misy amin’izao fotoana, mampalahelo ny Malagasy, satria nahita ny masoko tamin’ny fandalovako tamin’ity volana ity teto Madagasikara. Fetin’ny fahaleovantena, nefa miaina amin’ny fahasahiranana ny Malagasy, ny hetsika samy hafa dia nentin’ny mpitondra hamitahana ny vahoaka. Ny fahitana ireny hetsika ireny dia manana vola ny fitondrana, tsy nataony itsinjovana ny vahoaka anefa izany fa lany tamin’ny rendrarendra fotsiny, ny aty vilanin’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy anefa amin’izao fotoana dia zara fa mihinana izy ireo. Ka amiko mbola tsy ao ilay fahaleovantena raha tsy omena ny zavatra sahaza azy sy tena ilainy ny vahoaka.

-GNVV : ka inona no soso-kevitry ny ADM ny amin’izay fahasahiranam-bahoaka izay ?
-AVA: be ny soso-kevitra fa asakasak’izay hihaino, asakasak’izay tsy hihaino ihany koa. Raha aminay dia ny sôsialim-bahoaka ihany no laharam-pahamehana. Fijerena ny ho avin’ny taranaka: ny zaza, ny tanora; fijerena ny tsy an’asa, satria tena misafotofoto ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

-GNVV : hiatrika fifidianana ny Malagasy atsy ho atsy, ny fahitan’ny Alliance Diaspora Malagasy an’izay?
-AVA : ny zavatra tena angatahana dia aleo hadio ny fifidianana. Mandeha tsara ny zavatra atao rehefa madio. Sarotra sy tsy mety ary tsy azo ekena ny fifidianana amin’ny kiantranoantrano, sy maizimaizina. Tsy misy fifidianana ho vita amin’ny zavatra misafotofoto sy maizimaizina izany.

-GNVV : hanohana olona ve ny ADM amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy eto Madagasikara?
-AVA : ho avy ny fotoana hitenenana ny momba an’izay, raha ny ankehitriny aloha, mbola tsy misy azo hambara ny mahakasika izany.