Raharaha Vazahabe sy ny mpanolotsaina – Amin’ny 19 jolay ny didim-pitsarana

Isambilo

Niakatra teny amin’ny fitsarana indray, afak’omaly ny mpanolotsainan’ny tanàna Clemence Raharinirina sy Lily Rafaralahy ary ireo mpanolotsaina namany TIM, noho ny fitorian’ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ny CUA. Nisy ny fanambarana nataon’ny mpanolotsaina Clemence tao aorian’izany.

“MISAOTRA an’Andriamanitra lehibe fa vita indray ny fitsarana androany. MISAOTRA be dia be ireo mpanotrona ihany koa, ao anatin’izany ireo député TIM, ny jeune RMDM, ny mpanao politika samihafa, ny solontenan’ny syndicat SSM, ny mpanolotsaina namana, ny vondron’ny fikambanana, ny olon-tsotra, ny avy amin’ny FTAR, ny Vehivavy TIM Ary ny mpanao FB manohana sy mitrotro am-bavaka. Ny akony: nahemotra fanintelony amin’ny 12 jolay indray ilay raharaha mifandraika amin’ilay nisamborana ahy teny Ankorondrano, ka Antony avy amin’ny mpitory hatrany ny fanemorana. Notsaraina ilay raharaha nitorian’i Lalatiana Ravololomanana sy Balita anay. Mpanolotsaina 09 no niatrika ny mpitsara : 07 toriana – 02 mpitory. Nanitrikitrika ny mpitory fa namoaka vaovao tsy marina sy nanala-baraka ary nanompa variraraka azy ireo izahay. Izahay kosa anefa nandà hatramin’ny farany izany fiampangana izany ary miandry am-pitoniana ny didy amin’ny 19 jolay.”

Nisolovava ireo mpanolotsaina notoriana tamin’ireo raharaha ireo, Me Eloi Ratefimahefamijoro.