Ministeran’i Edgar – Ministeran’ny olana sy tsy mahavaha olana hoy ny depiote Todisoa

Niaina

Anisan’ny nandray fitenenana tamin’ny fametraham-panontaniana tamin’ny governemanta teny amin’ny CCI Ivato afak’omaly, ny depiote Todisoa Andriamampandry avy amin’ny antoko TIM voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-6. Nahitsy ny depiote Todisoa amin’ny tsy fahavitan’ny ministra sy ny governemanta ny asany.

Niantefa tamin’ny minisitry ny angôvo ny mikasika ny fahatapahan’ny jiro sy rano. Eo ihany koa ny vidin-tsolika sy ny ho fiakarany. Aiza ny vola fanampiana mikasika ny jiro sy rano?

Tamin’ny minisitry ny fambolena sy ny fanajariana ny tany: mila fanatsarana ny vavarano eny Laniera sy Imamba. Mila hatsaraina ny fanarian-drano eny amin’ny lemak’i Betsimitatatra.

Ho an’ny minisitry ny filaminam-bahoaka: aiza ilay poste Avancé roa nampanantenaina ny mponina Ambohimanarina? Aiza ny mahakasika ny kidnapping toa tsy andrenesam-peo ianareo?

Tamin’ny ny minisitry ny varotra sy ny Indostria: minisiteran’ny olana no misy anao fa tsy misy fepetra raisina mihitsy? Ministeran’ny olana sy tsy mahavaha olana arak’izany ny ministeran’ny ministra Edgar Razafindravahy.

Ho an’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena: mbola hakana vola ihany ve ny mpianatra manala fanadinana, ahoana ireo kolikoly maro toa tsy misy fanadihadiana mihitsy?

Ny lohany mihitsy koa no matsatso amin’ity governemanta Ntsay Christian ity, ka tokony hiala, maro ireo olam-bahoaka tsy voavahany.

Rohy FB – Depiote Todisoa – CCI Ivato 28.06.2022