NY MPITONDRA SY NY TSAPATSAPA

Mitohy hatrany ny andranandrana ary koa ny tsapatsapa.
Tena izany ilay aretina efa mihanaka ao an-dapa.
Ny mpitondra: toy ny zaza mianatra manipy fintana.
Ampangain’ireo ataony, dia lalao sy tsapa vintana!

Izany sisa no hitaizàny sy hitaomany vahoaka,
Ka ny saron’ny vilany no efa andrasana hipoaka.
Olo-maro no efa kivy, noana, maina, tena reraka,
Noho ny vina nolazaina nefa tsisy iray tanteraka!

Ny rehetra izay aseho dia andranandrana avokoa,
Ary dia ny “mahafinaritra” no mialoha ny “mahasoa”.
Ny hoe hiseho aloha no maika, ny hisongadina, ho tazana,
Hany ka ny atao rehetra, tsy mitera-pahombiazana!

Dia mitohy ny hagegena, mifangaro tsapatsapa.
Tsy dia zatra ny mazava ka mandeha miraparapa.
Ny asa maizina hatrany, izay no manavanana azy,
K’aza gaga raha mitohy, tsy foana ny delestazy!

…Velirano tsy tanteraka, ahiana hivadika ho ozona.
‘Ndeha tazano iretsy sezany f’efa tena mihozongozona.
Tena “lamasinim- poza” faly ny mirehareha,
Ka tapitra mimenomenona fa tofoka azy ny mpandeha!

DADAN’i ZINA (28-06-22)