SOLOMBAVA KAMO VELONA

(Sary Antenimierampirenena)

Solombava tena kamo, izay no azo itsarana
Ireo lazaina ho maro an’isa mpiaraka amin’ny fitondrana.
Raha hivory dia tsy hita fa mazàna no mingitrika.
Tena solombava kamo, tsy sokajin’ny mavitrika!

Saingy raha hanangan-tanana dia indreo mirodorodo,
Ka mandeha tsy am-pisainana toy irony zazabodo.
Haresaka eny Tsimbazaza, Ivato sy ny manodidina,
Raha vao hisy tsangan-tanana handaniana teny midina!

Solombava mahonena, tsy afaka hijoro irery,
Fa iharan-tsindry lava sy karazan-teritery!
Tsy mba manam-pahafahana ny hanolotra ny heviny,
Fa teren’ny mpitondra hanaraka ny revireviny!

Solombava saro-tahotra sy sokajin’ny kabaosy,
Faly hanohana hatrany iretsy mpiaraka misaosy.
Tena tiany sady maminy ny fiarahana midola,
Ka dia tsy azo tanana izy raha vao misy fofom-bola!

Solombava “benahoana”, zatra robok’ondry angamba,
Ka dia miaraka mirona, faly ny mandeha an-jamba.
Tena tsisy kalitao fa very hasina tanteraka.
Azo ambara tsotr’izao fa solombava efa “miveraka”!

…Ireny ve no nofidiana mba hisolo vava anao,
Kanefa solombava kamo sy tsy misy kalitao?
‘Ndao hanilika ny ratsy f’aza avela hiselontselona.
Mila alàna fa tsy mendrika ny solombava kamo velona!

DADAN’i RIANA (29-06-22)