Faha-20 taonan’ny antoko TIM – Fotoan-dehibe mandritra ny 3 andro etsy Behoririka

Helisoa

Na nisy aza ny sedra sy ny fanapotehina ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), dia mijoro hatrany ary mbola antoko miaina sy lehibe eto amin’ny firenena ity antoko ity. Izany hoe na nolotoina aza dia vao mainka mamiratra.

Feno 20 ny antoko Tiako i Madagasikara ankehitriny, ka misy ny hetsika hanamarihana izany araka ny tafa nataon’ny birao politika nasiônalin’ny antoko TIM, notarihin’ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro sy ireo komity mpanomana tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana. Nambara tamin’izany fa hisokatra anio alakamisy hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fampirantiana ireo tantara niainan’ny antoko nandritra ny 20 taona, hitohy rahampitso zoma tontolo andro ao amin’ny Magro Behoririka: kianjan’ny Finoana izany.

Ny sabotsy 2 jolay kosa hanomboka amin’ny 9 ora dia fihaonambe ho an’ny rehetra ao ihany, izay hanasana ny mpikatroka rehetra. Ao anatin’izany dia hisy ny fotoambavaka sy kabary maro samihafa. Marihina fa fanombohana ny fankalazana ny faha-20 taona io, fa mbola eo ny ivony sy ny famaranana. Ny any amin’ny faritra sy distrika sy ny faritany dia hisy fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 TAONA, ka ny any an-toerana no mikarakara izany. Na izany na tsy izany, ho maro koa ireo avy any amin’ny faritra hanatrika ny fanokafana izao faha-20 taonan’ny antoko TIM izao.