Vehivavy TIM Frantsa – Nanampy ireo sahirana, mandray anjara hampandroso firenena

Ny valosoa

Efa manenika izao tontolo izao ny vehivavy TIM, isan’izany ny ao Frantsa, izay mandray anjara mavitrika hampandroso firenena, manao asa sôsialy araka ny nambaran’ireo mpitarika any antoerana.

“Vehivavy mahery fo, mijoro sy mahefa” no teny filamatry ny vehivavy TIM Frantsa. Ny irarian’ireto farany dia mba ho lalim-paka ao ampon’ny vehivavy rehetra io teny filamatra io eo ampanatanterahana ny andraikitra raisina eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary eo amin’ny toeram-piasàna misy eo amin’ny sehatra rehetra. Manoloana izany indrindra dia nahatsiaro ireo sahirana aty an-tanindrazana ny vehivavy TIM Frantsa, ka nandefa fitafiana, lamba firakotra, sakafo tamin’ny alalan’ny orin’asa Raim’s Logistique, izay nitondra maimaimpoana ireo entana ireo. Ka olona sahirana miisa 160 teny Ambohitrarahaba kaominina Ankadikely Ilafy distrikan’Antananarivo Avaradrano no nisitraka izany teny antoerana ny herinandro teo, nialohan’ny fetim-pirenena.

Nisaotra ny vehivavy TIM Frantsa ny filohan’ny vehivavy TIM Analamanga Rahelisoa Arphine, fa zava-dehibe ny nataon’izy ireo nahatsiaro ny mpiray tanindrazana aminy tamin’izao fetin’ny Asaramanitra izao. Manainga ny vehivavy rehetra izay manana traik’efa sy manam-paniriana ny hitondra ny anjara birikiny hampandroso ny firenena, mba tsy hisalasala hirotsaka vehivavy TIM aty Madagasikara na any Frantsa ny vehivavy TIM FRANTSA araka izay efa natomboky ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasiônalin’ny antoko Tiako i Madagasikara.