Fanofanana mpiasa – Orinasa 2 hetsy no voakasiky ny fiaraha-miasan’ny FMFP sy ny CCIA

Aly

Orinasa miisa 2 hetsy no voakasiky ny fiaraha-miasan’ny FMFP: tahiry Famatsiambola Malagasy ho Fampiofanana ny mPiasa, sy ny CCIA, na ny Tranoben’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Fambolena amin’ny faritra Analamanga, vita Sonia ny herinandro teo tetsy Antaninarenina. Ireo orinasa ao amin’ny CCIA nahaloa latsakemboka no hahazo fiofanana ho fanatevenana ny fahaiza-manaony ireo mpiasa ao aminy.

Voafaritra ao amin’izao fifanaraham-piaraha-miasa izao ihany koa ny fanamorana ny fisitrahan’ny orinasa ny famatsiam-bolan’ny FMFP sy ny CCIA. Nanasonia izao fifanaraham-piaraha-miasa izao ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FMFP, Rabearivelo Noelison, sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny CCIA faritra Analamanga Josephine Noro Andriamamonjiarison.

Tsy misy fetrany izao fifanaraham-piaraha-miasa izao, fa hitohy hatrany eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ho fanomezana fahafahampo eo amin’ny fanofanana sy ny famatsiambola ireo orinasa amin’ny faritra Analamanga.