26 jona tany amin’ny faritra Atsinanana – Tsy nitsanga-menatra ny TIM Toamasina

Isambilo

Nandray anjara navitrika tamin’ny filaharambe, ho fankalazana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena tany Toamasina, renivohitry ny faritra Atsinanana ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara: TIM Toamasina.

An-jatony maro ireo mpikatroka avy amin’ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana no nandray anjara tamin’izany matso tany Toamasina izany: tao ny Dis-TIM Toamasina, ny Tanora TIM ary ny Vehivavy TIM any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Tsy nitsanga-menatra izy ireo, fa anisan’ny maro an’isa tamin’ny fandraisan’anjara tamin’izany matso ho fankalazana ny 26 jona izany. Nitarika azy ireo nandritra izany ny filohan’ny Dis-TIM Toamasina, sady avy amin’ny comité ad’hoc, Malalaniaina Andrianarifera dit Niaina.

Tao aorian’ny filaharana, nisy ny fihaonan’izy ireo tao amin’ny QG Ambodisoanambo, tamin’izany no nilazany fa miasa miaraka hatrany no fahombiazana araka ny anisan’ny filamatry ny filoha mpanorina, izany hoe: ilaina hatrany ny firaisankina ao anivon’ny antoko, hitondra ho amin’ny fandresena amin’ny fotoam-pifidianana ho avy.