RY VOROMPOTSY SY RY VANO !

Tsy ny fitafiana fotsy, tsy izany no mampiavaka,
Ka hisokajiana anao ho tena olona mivavaka.
Zavajavatra eto ivelany entina manaitra ireny.
(Mety ho famitahana aza raha hahitsy ny fiteny!)

Ahoana ilay niakanjo fotsy niedinedina toa vano?
Hay ny tetika dia tsotra: ny hangataka tsodrano.
Tena tsisy tsy nihomehy ireo vahoaka tonga saina.
Io tokoa ilay nolazaina fa hoe “mbola hotsaraina”!

Ahoana ilay niakanjo fotsy dia niroboka nandihy?
(Moa tsy toy ny vorompotsy ery amoron’ny farihy?)
Sahona sy sahobakaka no sakafo sy mba hazany.
Ny handrapaka an’ireny no heveriny ho lazany!

Eny anaty fotaka izy no mazàna mihoerahoera.
Eny hatrany no mitady voninahitra sy dera.
Raha tsy izay dia indro indray fa toa somary miova lasy,
Manakaiky irony omby ka mitsaingoka parasy!

…Aoka isika tsy ho sodokan’ny miakanjo fotsy lava,
Fa ny sasany amin’ireny dia sokajin’ny mpandrava.
Ampitso, hainy indray ny miova ho toy ny “volon’ny voasary”,
Ka dia mitandrema isika f’io dia loko efa fanary!

IRINA HO TAFITA (23-06-22)