Kianja Barea Mahamasina – Tsy tombola, na Rajoelina no nojeren’ny olona fa ny fety

Ny Valosoa

Loka voalohany tamin’ny tombola natao tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ary nosarihan’ny filoha Andry Rajoelina ny alahady teo, ny fahazoana Trano Mora eny Imerintsiatosika distrikan’Arivonimamo faritr’Itasy. Mbola tsy nahazo ny lakilen’izany trano hatreto ilay tovovavy nahazo ny loka.

Fisehoana fotsiny ny teny Mahamasina, fa ny fanatanterahana ny fahazoana ilay trano dia mbola an-dalana. Arak’izany, trano mbola tsy vita no nosarihana, ka heverina homena ilay tovovavy nahazo izany loka voalohany izany, tena azo lazaina ho famitahana izany no nataon’izao fitondrana Rajoelina izao ny alahady teo, mahakasika io fanomezana trano tamin’ny tombola io.

Ny loka faharoa sy faha-3 kosa dia tena nisy: moto sy i-phone 14. Ireo loka nozaraina ny alahady teo dia voalaza fa an-jatony mahery, nisy telefônina, thermos, kits solaires,… Tsy voazara hatramin’ny farany anefa izany, soa ihany fa tsy ny tombola no naha-maika ny olona teny Mahamasina, na ny filoha Rajoelina, fa ny hijery fety, fa raha tsy izany angamba dia mbola ho korontana be koa raha nieritreritra izany tombola izany tokoa ireo mpijery.