Tanora RMDM Toamasina – Miantso ny FFKM hitarika ny fikaonandoham-pirenena

Nangonin’Isambilo

Nanao fanambarana ny Tanora RMDM any Toamasina faritra Atsinanana, tanora avy amin’ny rodoben’ny mpanohitra ny an-toerana, tarihan’ny filohany Jean Claude Rakotoarisoa, ho fanamafisana ny antso efa nataon’ny filoha Marc Ravalomanana mahakasika ny raharaham-pirenena mikorosy fahana amin’izao fotoana izao.

Araka ny fanambarana : « noho ny fanahiana amin’ny zavatra mety hitranga amin’ny fifidianana ho avy, noho ny disadisa politika miseho lany amin’izao fotoana, noho ny fikorontanana sy ny fikorosoan’ny sôsialy sy ny toekarena eto amintsika mety hitarika savorovoro, miantso ny FFKM izahay hitarika ny fikaonandoham-pirenena, fikaonandoha hiantsoana ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena, ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana tsotra, ny sendika, ny mpitandro filaminana, handray anjara amin’izany », hoy ny fanambaran’izy ireo.