Ny tena fototry ny hala-bato – Ny famenoana miafina ny vata fandatsaham-bato hoy Guy Rivo

Nangonin’i Niaina

Maneho ny heviny momba ny hala-bato nisy teto amintsika avy any ivelany ny mpanao politika Guy Rivo Randrianarisoa, avy amin’ny antoko TIM.

“Dia averiko eto ihany fa tsy ny resaka “doublons”no tena fisian’ny halabato. Ny doublons mbola mila olona mifidy miaraka amin’ny karapanondron’olonkafa, sns… Fa ny famenoana miafina ny vata fandatsaham-bato na “bourrage d’urnes” amin’ny fomba manarapenitra no tena fototr’izany hala-bato izany. Ity no zava-nisy ary niainanay farany tao Antsirabe. Marobe ireo solontenako tany amin’ny biraompifidianana. Nahazo tombony betsaka mihitsy izy ireo, satria dia nahazo penina iray avy, jiro kely iray avy ary solontsakafo avo telo eny noho ny mpifaninana. Na ny mpikarakara TIM Antsirabe aza niteny fa tena mba nilamina ny zavatra nataonay mpitarika ireto olona mpomba anay ireto. Izany hoe tokony tsy ho voavidy ireo.

Rehefa nisokatra ny biraom-pifidianana ka nidina nijery nanara-maso sy nitety ireo birao ireo ny mpikarakaranay tamin’ny 9 ora maraina dia izao no zava-misy. Ao anaty vata efa misy vato eo amin’ny 60 hatraminy 100 eo. Ny sonia etsy amin’ny lisi-pifidianana anefa vao 25 na 40 monja. Izany hoe amin’io amin’ny 9 ora maraina io dia 30% ihany ny isan’ny vato ao anaty vata no tena izy, fa ny 70% nasisika sy nalatsaka moramora rehefa mody nirahina na mivoaka ireo solontenan’ny kandidà ary mangina ny birao. Mety nomena vola koa dia nikimpy maso ny délégués na solontena ary tena inoako izany. Dia rehefa nanomboka tamin’ny 3 ora hariva dia tonga amin’izay ny famenoana sonia ny lisi-pifidianana moramora tsy misy mahita hifanaraka amin’ny vato nalatsaka hatramin’ny maraina.

Izany hoe raha mandatsaka vato ambadika 80 isaky ny biraom-pifidianana izany, ka 120 ny isan’ny biraom-pifidianana dia efa nahazo tombony 120×80=9600 ny mpanodina vato na mpangalabato. Ary sahiko ny miteny, fa ny lehiben’ny fokontany no sefobe voakarama amin’io. Marihako fa tsy misy mihitsy fanisana ny sonia rehefa hariva, ora fidian’ny biraom-pifidianana.

Raha te handresy isika arak’izany: ny fiarovana ny vatontsika mandritry ny tontolo andron’ny fifidianana no mila hilofosana mafy sy harovana toy ny anakandriamaso.
Mila délégués na solontena matotra tsy voavidy vola ary sahy miaro ny asa ampiandraiketina azy.”