Vondrozo faritra Atsimo Atsinanana – Zazalahy kely iray nisy nanala ny voamasony roa

Stefa

Efa tena misy tsivalahara sy tsy mifaditrovana mihitsy ny olona amin’izao fotoana, raha ity tranga tany amin’ny distrikan’i Vondrozo faritra Atsimo Atsinanana ity no jerena. Zazalahy kely iray nisy nanala ny voamasony tany an-toerana. Raha ny vaovao voaray, zazalahy kely iray vao 5 taona, antsoina hoe RANGAHY no nisy nahita tao amin’ny trano fivoahana (WC) ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina tao Anandrotry, fokontany Fierena kaominina Ambodirano distrikan’i Vondrozo.

Ny zoma talohan’io, tamin’ny 4 ora tolakandro no tsy nahitana azy intsony. Ny ampitso izy no hita saingy efa tsy teo intsony ny masony roa. Zanak’i LOMY sy i MENA mipetraka ao Fierena ihany i Rangahy. Tadidin’ilay zaza ny nahavanon-doza ary fantatra fa fianakaviana ihany io olona io. Rehefa nohadihadiana ity farany dia niaiky ny heloka vitany ary nilaza fa efa lafo nisy nividy ireo maso.

Amin’izao fotoana dia ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka i RANGAHY sy ny fianakaviany amin’ny fitsaboana azy, ka nandray andraikitra avy hatrany ny tompon’andraikitra rehetra any an-toerana, raha vao nahare ny zava-nitranga ka nanao izay tandrify azy. Kasaina hampiakarina ao Farafangana hisitraka fitsaboana i RANGAHY izay natao ho maimaimpoana. Miantso ireo malala-tànana hatrany ny fianakaviany satria mila vonjy, tohana, fitiavana, fiahiana i RANGAHY mianakavy.