TIM Boriboritany faha-3 – Mifidy ireo ho ao amin’ny biraon’ny Foko-TIM

Isambilo

Mifidy ireo ho ao amin’ny biraon’ny Foko-TIM ao amin’ny Boriboritany faha-3 eto Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana, ireo mpikatroka avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ao amin’ity Boriboritany ity. Nanomboka omaly izany fifidianana izany, hitohy anio ary hifarana rahampitso etsy Bel’Air Ampandrana.

Fidiana mandritra izany, ireo ho mpikambana ao amin’ny biraon’ny Foko-TIM amin’ireo fokontany miisa 34 ao amin’ity boriboritany ity, mpikarakara ny fifidianana ireo mpiara-miasa amin’ny depiote Feno Ralambomanana, depiote avy amin’ny antoko TIM ao amin’ity Boriboritany faha-3 ity. Ao anatin’ny fameloma-maso ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ny fanaovana izao fifidianana izao ary fanamafisana ny fototry ny antoko ihany koa.