Andohajango Mandritsara – Vaky ny fitrandrahana volamena, ahiana anefa ny korontana

Stefa

Vaky amin’izao fotoana ny fitrandrahana volamena, any amin’ny kaominina Andohajango, distrikan’i Mandritsara any amin’ny faritra Sofia, ahiana hiteraka korontana sy tsy fandriampahaelmana any an-toerana anefa izany, noho ny fahamaroan’ireo mpitrandraka tonga any an-toerana. Kaominina iray any anatin’ny distrikan’i Mandritsara, no ahitana fitrandrahana volamena ankehitriny dia ny kaominina Andohajango.

Manomboka betsaka ny olona tonga hitrandraka izany tamin’ny taona ity. Ankehitriny, olona 50 farafahakeliny, no tonga isan’andro any amin’ity kaominina ahitana volamena ity. Miahiahy mafy ny mponina vokatr’izany, eo amin’ny fandriampahalemana.

Hatreto, tsy mbola nisy solontenam-panjakana tonga handamina sy hihaino ny fepetra apetraky ny Kaominina, momba ity toerana misy harena ankibon’ny tany ity. Tokony hiroso amin’ny ara-dalàna ny mpisehatra rehetra, mba hahafahana manaraka ny fepetra mipetraka, raha tsy izany, ahiana ho vaky ny ady eo amin’ny tompon-tanàna sy ny mpivahiny.