Tsy voavahan’ny ministera sy ny Jirama – Tena fampijaliana vahoaka, tsy rariny intsony ny delestazy

Niaina

Tena hita fa tsy voavahan’ny ministeran’ny angôvo sy ny orinasa Jirama intsony ity delestazy ity, ny mety amin’ireo tompon’andraikitra voalohany dia ny ministra Andry Ramaroson, sy ny tale jeneralin’ny Jirama Rivo Radanielina dia ny miala, dieny mbola tsy misy ny fahatezeram-bahoaka, ny fahatezeran’ny mpanjifa. Mety hiafara amin’izany ihany mantsy, ny zavatra hisy eto amintsika, raha mbola mitohy izao fampijaliana vahoaka amin’ny delestazy izao.

Efa tena tsy rariny intsony mihitsy raha ny fahatapahanj-jiro, raha tsy hiresaka afa-tsy ny tamin’ny omaly: tamin’ny 5 ora maraina dia efa tapaka ny jiro tamin’ny faritra sasany, naharitra ora roa izany. Tapaka indray tamin’ny 8h30 tany ho any, tsy niverina raha tsy tamin’ny 11h30 mahery, izany hoe ora 3 mahery teo io fahatapahana faharoa io. Ny fahatapahana faha-3 farany dia tany amin’ny 6 ora hariva. Nisy fahatapahana in-3 arak’izany, raha nanambara ny ministra fa tsy hisy fahatapahana mihoatra ny indray mandeha intsony mandritra ny iray andro ary ny faharetany dia ora roa, na telo raha be.

Ity nitranga omaly ity anefa dia tena tsy rariny, satria lavareny nahatratra ora 6 ka hatramin’ny ora 7 ary in-3 miantoana be izao. Tsy nisy ny asa vita noho izany ho an’ny maro, tsy tenenina intsony ny fitaovana mila rianaratra simba. Ny feo mandeha tamin’ireo mpanjifa aza vokatr’izany dia ny hoe: tsy ny ministra, sy ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Jirama ihany no tokony hiala, fa hatrany amin’ny filoha Rajoelina mihitsy, satria mpampijaly vahoaka, tsy mahay mitantana, tsy mahavaha izay tena maharary ny vahoaka,…