Rivo Rakotovao sy ny Bianco – Hadihadio koa ireo mpiara-dia amin’ny mpitondra hoy ny RMDM Diaspora

Nangonin’i Stefa

Manoloana ny fiantsoana ny mpandrindra nasiônalinn’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao teny amin’ny Bianco omaly, misy ny fanambarana nataon’ny RMDM Diaspora, tsarao koa ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana fa aza asiana tombo sy hala hoy izy ireo:

“Noho ny fandrenesana ny fisian’ny fiantsoan’ny BIANCO an’Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha no sady Filoha vonjimaika (par intérim) nandritra ny volana vitsivitsy araka ny voafaritry ny lalàm-panorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia manao izao fanambaràna izao ny RMDM Diaspora: ilaina ary angatahan’ny maro tokoa ny hisian’ny mangarahara, indrindra fa momba ny fitantanana sy fandaniana ny volam-panjakana.

Azo atao tokoa ny fihainoana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany hitondrany fanazavana momba ny nandaniana ny volampanjakana.

Maro kosa anefa ireo raharaha goavana sy heverina fa maika, mahakasika ny fanararaotam-pahefana sy ny fanodinkodinam-bola na fangalaram-bola mihintsy, izay eo am-pelatanan’ny BIANCO sy ny sampan-draharaha samihafa hatry ny fotoana elaela, nataon’ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana koa.

Iaraha-mahita sy iaraha-mahalala anefa, fa toa tsy misy tohiny izany ankehitriny, no koa tsy ahenoana akony intsony koa.

Ampatsiahivinay fohifohy ary ny sombintsombiny amin’ireo raharaha voalaza ireo:
-Ny fanaovana amboletra mba hirosoan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 na dia marobe aza ny tsy fahatomombanana tsikaritra sy notoherin’ny maro an’isa. Izany fanaovana amboletra izany dia nahatonga ny fisian’ny hala-bato goavana. Tsiahivina fa nanao filazana ôfisialy ny filoha lefitry ny CENI mikasika izany.
-Ny mbola nampiasana ihany ny lisi-pifidianana feno hosoka nandritra ny fifidianana taorian’ny taona 2018.
-Ny tsy fanajana sy ny tsy nampiharana ny fanaraha-maso ny vola nampiasain’ireo kandida rehetra tsy ankanavaka, nandritra ny fampielezan-kevitra.
-Ny fandaniana ny volam-panjakana izay nozaraina tamin’ireo olona notendrena ho Governora eran’ny faritra.
-Ny fanodinkodinam-bola momba ny resaka “bonbons-sucettes” sy “écrans plats”, izay fangalaram-bola sy fanamparam-pahefana (abus de pouvoir) nataon’ny tompon’andraikitra ambony sy ny vadiny.
-Ny raharaha SMMC.
-Ny raharaha Kraoma.
-Ny raharaha fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika nataon’ny vadin’ny mpitondra fanjakàna iray (abus de pouvoirs, détention illégale et utilisation d’arme de guerre).
-Ny raharaha momba ny fitantanana ny volam-panjakana, izay vola fanampiana avy any ivelany natokana hisahanana sy hiadiana ny valan’aretina COVID-19.
-Ny raharaha fanondranana volamena milanja 73kg izay tratra tatsy Afrika atsimo, ny tany Comores, ny tany Seychelles.
-Ny raharaha fanodinana ny volan’ny CNAPS.
-Ny raharaha volam-panjakana nampiasain’ny maire Antananarivo renivohitra.
-Ny raharaha fividianana sy fanafarana ary fampidirana antsokosoko fitaovam-piadiana mahery vaika maro tao Madagasikara.

Ireo ohatra 13 noraisinay ireo dia mikasika ny fanararaotam-pahefana sy fanodinkodinam-bola avokoa…

Azo atao tokoa ny manadihady ny fomba nitantanana ny Antenimierandoholona tamin’ny taona 2019 ; fa talanjona kosa ny maro ankehitriny ary mametra-panontaniana hoe fa ahoana ny tohin’ireo raharaha rehetra ireo?

Toa zary fidiana ny raharaha ho hadihadiana ka mahatonga ny malagasy maro hieritreritra fa zary lasa atao fitaovana ny Fitsarana sy ny BIANCO!

Sa kosa “ny fankahalàna no lehibe indrindra”, ka mahatonga izao fikorontanana sy fisehoan’ny tsy fahaiza-mitantana rehetra ankehitriny izao?

Ny RMDM Diaspora dia mijoro ankehitriny ary milaza fa fanodinkodinana ny saim-bahoaka, fanaovana ramatahora, fangejana, fanampenam-bava ny vahoaka tsy haneho hevitra, fanararaotam-pahefana, fanitsakitsahana ny zo fototra, ary fahapotehan’ny demokrasia no iainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny.

Izany rehetra izany dia maneho ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana izay ataon’ny mpitondra fanjakàna ankehitriny, ka tsy azo ekena intsony.

Ampahatsiahivina ihany koa fa Andriamatoa Rivo Rakotovao dia anisan’ireo singa lehibe mandrafitra ny RMDM, izay manomana ny fikaonandoham-pirenena ankehitriny, izay tohanan’ny RMDM Diaspora tanteraka ihany koa.

Tetika natao hanembatsembanana sy hampihorohoroana azy (sy ny hafa) ve no mety ho anton’izao fampiantsoan’ny BIANCO azy izao?

Tetika entina handravana ny fikaonandoham-pirenena ve sa inona no anton’izao fiantsoana izao?

Dia iza indray koa no manaraka?

Mangataka ary izahay ny hanaovana tatitra tsy misy hatak’andro momba ireo teboka 13 nampahatsiahivina etsy ambony ireo.

Masina ny Tanindrazana”, hoy ny fanambarana.